Ny Baibol, Apokalipsa, Chapter 15. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11182&pid=68&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Apokalipsa

Ny Baibol

Epistola Joda Apokalipsa

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22

1 [Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.

2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. [ Na: tao amin]

3 Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.

4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.

5 Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin'ny vavolombelona tany an-danitra; [ Na: tao amin'] [ Dia ny Didy Folo]

6 ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. [ Na: (niakanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka)]

7 Ary ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran'Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.

8 Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.

<< ← Prev Top Next → >>