Ny Baibol, Epistolan’i Paoly ho an’i Tito, Chapter 3. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11132&pid=58&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistolan’i Paoly ho an’i Tito

Ny Baibol

Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote Epistolan’i Paoly ho an’i Tito Epistolan’i Paoly ho an’i Filemona

Chapter 1 2 3

1 Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa tsara rehetra,

2 tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra.

3 Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.

4 Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,

5 dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,

6 Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,

7 mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.

8 Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman'izay efa mino an'Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.

9 Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.

10 Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, [ Na: olona mitokana ho azy]

11 satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.

12 Rehefa maniraka an'i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.

13 Mazotoa hamoaka an'i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.

14 Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.

15 Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.

<< ← Prev Top Next >>