Ny Baibol, Hosea, Chapter 14. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10876&pid=30&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Hosea

Ny Baibol

Daniela Hosea Joela

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14

1 Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.

2 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, rehefa mibebaka] Ry Isiraely ô, miverena amin'i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.

3 Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.[Heb. haloanay][Heb. vantotr'ombilahy]

4 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.

5 Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.

6 Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona.

7 Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an'ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an'i Libanona ny hanitra avy aminy.

8 Izay mipetraka ao ambanin'ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an'ny divay avy any Libanona.[Na: ho velombelominao indray toy ny vary izy]

9 Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.[Na: Efraima hanao hoe: Hataoko][Heb. azy]Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.

10 Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.

<< ← Prev Top Next >>