1 [Fitarihan-teny milaza ny maha-zava-poana ny zavatra rehetra] Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
2 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
3 Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro?
4 Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
5 Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany.
6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
7 Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.
8 Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.[Heb. Feno fahasasarana][Na: Feno fahasasarana ny zavatra rehetra ka tsy hain'ny olona lazaina]
9 Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin'ny masoandro.
10 Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany.
11 Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.
12 [Ny tsy ahitana fahafaham-po, na dia amin'ny fitadiavam-pahendrena aza] Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema;
13 ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omen'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona izany.
14 Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.[Na: Homan-drivotra]
15 Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.[Na: ny tsi-fahampiana dia tsy tambo isaina]
16 Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
17 Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,[Na: Homan-drivotra]satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.
18 satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana. |