1 [Ny teny voalohany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
3 Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
4 Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
5 Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
6 Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb. fahatahoranao]
7 Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
8 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
9 Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.
10 Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;
11 Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
12 Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
13 Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
14 Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
15 Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
16 Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
17 Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan']
18 Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
19 Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany]
20 Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
21 Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena. |