Ny Baibol, Ezra, Chapter 8. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10411&pid=17&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ezra

Ny Baibol

2 Tantara Ezra Nehemia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10

1 [Ny olona niaraka tamin'i Ezra, sy ny nankanesany ho any Jerosalema] Ary izao no lohan'ny fianakaviana sy filazana ny firazanan'ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka:

2 Gersoma, avy tamin'ny taranak'i Finehasa; Daniela, avy tamin'ny taranak'Itamara; Hatosy, avy tamin'ny taranak'i Davida;

3 Zakaria, avy tamin'ny taranak'i Sekania (avy tamin'ny zanak'i Parosy), mbamin'ny namany dimam-Polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;

4 Elihoenay, zanak'i Zerahia, avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba, mbamin'ny namany roan-jato lahy;

5 ny zanak'i Jahaziela, avy tamin'ny taranak'i Sekania, mbamin'ny namany telon-jato lahy;

6 Ebeda, zanak'i Jonatana, avy tamin'ny taranak'i Adina, mbamin'ny namany dimam-polo lahy;

7 Jesaia, zanak'i Atalia, avy tamin'ny taranak'i Elama, mbamin'ny namany fito-polo lahy;

8 Zebadia, zanak'i Mikaela, avy tamin'ny taranak'i Sefatia, mbamin'ny namany valo-polo lahy;

9 Obadia, zanak'i Jehiela, avy tamin'ny taranak'i Joaba, mbamin'ny namany valo ambin'ny folo amby roan-jato lahy;

10 ny zanak'i Josifia, avy tamin'ny taranak'i Selomita, mbamin'ny namany enim-polo amby zato lahy;

11 Zakaria, zanak'i Bebay, avy tamin'ny taranak'i Bebay, mbamin'ny namany valo amby roa-polo lahy,

12 Johanana, zanak'i Hakatana, avy tamin'ny taranak'i Azgada, mbamin'ny namany folo amby zato lahy;

13 ary ny avy tamin'ny taranak'i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin'ny namany enim-polo lahy,

14 Otahy sy Zaboda, avy tamin'ny taranak'i Bigvay, mbamin'ny namany fito-polo lahy.

15 Ary novoriko teo amoron'ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak'i Levy teo na dia iray akory aza.

16 Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).

17 Ary nampitondraiko teny ho any amin'Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin'Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitray.

18 Ary araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin'ny taranak'i Maly, zanak'i Levy, zanak'Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin'ny rahalahiny, valo ambin'ny folo lahy, [Na: an'Isi-sekela]

19 ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin'ny taranak'i Merary, mbamin'ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;

20 ary avy tamin'ny Netinima, izay notendren'i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.

21 Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.

22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.

23 Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.

24 Ary nanokana roa ambin'ny folo lahy tamin'ny lohan'ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,

25 ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon'Andriamanitray, izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;

26 eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan'ny talenta zato, ary talenta volamena zato

27 sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan'ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena. [Izahao 1 Tan. xxix. 7]

28 Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.

29 Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.

30 Dia noraisin'ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon'Andriamanitray.

31 Dia niala teo amin'ny ony Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.

32 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.

33 Ary tamin'ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan'i Meremota, zanak'i Oria mpisorona, tao an-tranon'Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak'i Finehasa; ary teo amin'izy roa lahy koa Jozabada, zanak'i Jesoa, sy Noadia, zanak'i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;

34 an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin'izany andro izany ny lanjany rehetra.

35 Ary ny olona izay niverina avy tamin'ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo ho an'ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak'ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.

36 Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.

<< ← Prev Top Next → >>