Ny Baibol, Josoa, Chapter 12. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10199&pid=8&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Josoa

Ny Baibol

Deotoronomia Josoa Mpitsara

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24

1 [Ny anaran'ny mpanjaka izay novonoin'ny Zanak'Isiraely] Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay [Heb. Arabà]

2 Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i Gileada, dia hatramin'ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i Amona, [Heb. Arabà]

3 ary ny ilany atsinanan'ny tani-hay hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga. [Heb. Arabà]

4 Ary azony koa ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaita sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,

5 sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.

6 Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.

7 Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka ny fizarany,

8 dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin'ny tani-hay sy amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:[Heb. Sefela][Heb. Arabà]

9 Ny mpanjakan'i Jeriko, iray; ny mpanjakan'i Ay, izay eo anilan'i Betela, iray;

10 ny mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray;

11 ny mpanjakan'i Jarmota, iray; ny mpanjakan'i Lakisy, iray;

12 ny mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray;

13 ny mpanjakan'i Debira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray;

14 ny mpanjakan'i Horma, iray; ny mpanjakan'i Arada, iray;

15 ny mpanjakan'i Libna, iray; ny mpanjakan'i Adolama, iray;

16 ny mpanjakan'i Makeda, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray;

17 ny mpanjakan'i Tapoa, iray; ny mpanjakan'i Hefera, iray;

18 ny mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray;

19 ny mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i Hazora, iray;

20 ny mpanjakan'i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray;

21 ny mpanjakan'i Tanaka, iray; ny mpanjakan'i Megido, iray;

22 ny mpanjakan'i Kadesy, iray; ny mpanjakan'i Jokneama any Karmela, iray;

23 ny mpanjakan'i Dora eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.

24 ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.

<< ← Prev Top Next → >>