Ny Baibol, Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote, Chapter 1. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11126&pid=57&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote

Ny Baibol

Epistola voalohan’i Paoly ho an’i Timote Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote Epistolan’i Paoly ho an’i Tito

Chapter 1 2 3 4

1 [Ny fahatsiarovan'i Paoly an'i Timoty sy ny fitiavany azy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy,

2 mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.

3 Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina;

4 ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho [ Na: fa andro aman'alina dia maniry hahita anao aho];

5 fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.

6 [Famporisihana an'i Timoty mba hamelona tsara ny fanomezam-pahasoavana azony avy tamin'Andriamanitra. ] Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako.

7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.

8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra,

9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;

10 fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;

11 ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra. [ Na: [mpampianatra ny jentilisa]

12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin'izay andro izay. [ Na: ilay zavatra natolony ahy]

13 Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.

14 Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.

15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.

16 Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;

17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita(ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.

18 (ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.

<< Prev Top Next → >>