Ny Baibol, Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana, Chapter 7. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11053&pid=47&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana

Ny Baibol

Asan’ny Apostoly Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16

1 Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?

2 Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy.

3 Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.

4 Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra.

5 Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana.

6 Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.

7 Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17).

8 Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.

9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.

10 Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.

11 Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy.

12 Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.

13 Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna.

14 Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.

15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.

16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.

17 Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.

18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.

19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.

20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.

21 Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy. [ Na: koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina]

22 Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;

23 nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.

24 Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.

25 Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.

<< ← Prev Top Next → >>