Ny Baibol, Fitomaniana, Chapter 5. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10802&pid=27&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Fitomaniana

Ny Baibol

Jeremia Fitomaniana Ezekiela

Chapter 1 2 3 4 5

1 [Fitarainana amin'Andriamanitra sy fangatahana ny hodian'ny soa nananana fahiny] Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.

2 Ny lovanay dia afindra ho an'ny vahiny ary ny tranonay ho an'ny hafa firenena.

3 Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.

4 Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.

5 Rambondrambonan'ny mpanenjika amin'ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.

6 Nanolo-tanana tamin'ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.

7 Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.

8 Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin'ny tànany.

9 Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.

10 Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin'ny mosary.

11 Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.

12 Nahantona tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.

13 Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.

14 Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.

15 Ny hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.

16 Efa afaka ny satro-boninahitra tamin'ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!

17 Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,

18 Noho ny amin'ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen'ny amboahaolo.

19 Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.

20 Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ?

21 Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?

22 Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?

<< ← Prev Top Next >>