Ny Baibol, 2 Tantara, Chapter 10. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10377&pid=16&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 2 Tantara

Ny Baibol

1 Tantara 2 Tantara Ezra

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36

1 [Ny niodinan'ny firenena folo tsy hanaiky an-dRehoboama] Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.

2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.

3 Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:

4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.

5 Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.

6 Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?

7 Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin'ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.

8 Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:

9 Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay ?

10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;

11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.

12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro fahatelo.

13 Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy

14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.

15 Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin'Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama,zanak'i Nebata.

16 Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida ? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.

17 Fa ny Zanak'isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.

18 Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak'isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.

19 Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.

<< ← Prev Top Next → >>