Ny Baibol, 2 Samoela, Chapter 11. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10278&pid=12&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 2 Samoela

Ny Baibol

1 Samoela 2 Samoela 1 Mpanjaka

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24

1 [Ny nanaovana fahirano an'i Raba, sy ny nakan'i Davida ny vadin'i Oria] Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia naniraka an'i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak'i Amona ireo sady nanao fahirano an'i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.

2 Ary nony harivariva, dia niala tao ampandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon'ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.

2 Samoela 11:2 - David Covets Bathsheba
David Covets Bathsheba
3 Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita?

4 Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany an-tranony.

5 Ary nanan'anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin'i Davida hoe: Manan'anaka aho.

6 Ary Davida naniraka tany amin'i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain'i Joaba nankany amin'i Davida Oria.

7 Ary nony tonga teo amin'i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr'i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.

8 Ary hoy Davida tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka izy.

9 Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon'ny mpanjaka, teo amin'ny mpanompon'ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.

10 Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin'i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?

11 Fa hoy Oria tamin'i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin'ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.

12 Ary hoy Davida tamin'i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson'iny Oria.

13 Ary nasain'i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin'ilay nandriany teo amin'ny mpanompon'ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.

14 Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin'i Joaba, ka nampitondrainy an'i Oria izany.

15 Ary izao no soratra nataony tao amin'ny taratasy: Arosoinareo amin'ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.

16 Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an'i Oria ho eo amin'izay hitany misy lehilahy mahery.

17 Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin'i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon'i Davida, ary maty koa Oria Hetita.

18 Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin'i Davida ny toetry ny ady;

19 ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin'ny mpanjaka ny toetry ny ady,

20 ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin'ny manda izy?

21 Fa iza no namely an'i Abimeleka, zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin'ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.[vato amboniny]

22 Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin'i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan'i Joaba azy.

23 Ary hoy ny iraka tamin'i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan'ny vavahady kosa izy.

24 Ary ny mpitifitra teo amin'ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon'ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.

25 Dia hoy Davida tamin'ny iraka: Izao no holazainao amin'i Joaba: Aza malahelo amin'izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin'ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.

26 Ary nony ren'ny vadin'i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida izany.

27 Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida izany.

<< ← Prev Top Next → >>